<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ny teny masinao
 Torina hatrizao ;
 Maharitra tsy lo,
 Mamabo izany fo,
 Fa marina ka tianay
 Hiainana mandrakizay.

[V2]
 Ny teny masinao
 Mitondra herivao,
 Mandrava ny manjo
 Ireo izay ory fo ;
 Ka mendrika ho tanana
 Anaty, ho fananana.

[V3]
 Ny teny masinao
 Dia tsy mba mankaleo ;
 Fa hery velona
 Mamelombelona ;
 Ka satrinay ho re indray
 Ry Andriananaharinay.

[V4]
 Ny teny masinao
 No feo manorina ;
 Ny teny masinao,
 No feo manarina
 Ka tianay hanenika
 Ny tany sy ny lanitra.</lyrics>
<title>Ny teny masinao torina hatrizao FFPM208</title>
<hymn_number>208</hymn_number>
<author>J. Darwall</author>
</song>